-
2 Mpanjaka 22:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Hahatonga loza amin’ity toerana ity sy ny mponina eo aminy aho, araka ny teny rehetra ao amin’ilay boky novakin’ny mpanjakan’ny Joda.+ 17 Niala tamiko izy ireo ka nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an’andriamani-kafa,+ mba hampahatezitra ahy amin’ny asan’ny tanany+ rehetra. Ho tezitra amin’ity toerana ity àry aho ka ho toy ny afo tsy mety maty ny hatezerako.’”+
-
-
Jeremia 44:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina ka tsy niala tamin’ny ratsy fanaony, fa mbola nanao sorona ho an’ny andriamani-kafa ihany.+ 6 Koa nanampatra ny hatezerako sy ny fahavinirako aho, ka nandoro an’ireo tanànan’i Joda sy ny lalan’i Jerosalema izany. Dia rava tanteraka sy ngazana ireo, araka ny hita amin’izao.’+
-