-
1 Samoela 2:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Izao no nataon’izy ireo tamin’izay tokony ho anjaran’ny mpisorona avy tamin’ny vahoaka:+ Isaky ny nisy nanao sorona, dia tonga ny mpanompon’ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana.* Rehefa nandrahoina ny hena, 14 dia nalainy ilay fitrebika ka natsindrony tao anaty vilany, na tao anaty vilany misy tahony roa, na vilanibe, na vilany misy tahony iray. Izay azon’ny fitrebika dia nalain’ny mpisorona ho azy. Izany no nataon’izy ireo tao Silo, tamin’izay Israelita rehetra tonga tao.
-