Lioka 6:27, 28 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 27 “Fa izao kosa no lazaiko aminareo mihaino ahy: Tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa foana amin’izay mankahala anareo,+ 28 irario soa foana izay manozona anareo, ary mivavaha foana ho an’izay manao tsinontsinona anareo.+ Asan’ny Apostoly 7:60 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 60 Dia nandohalika izy ka niantso mafy hoe: “Jehovah* ô, aza atao ho helony izao!”+ Rehefa avy nilaza an’izany izy, dia nodimandry.* Romanina 12:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 Miezaha foana hirary soa an’izay manenjika anareo.+ Miezaha hirary soa fa aza manozona.+
27 “Fa izao kosa no lazaiko aminareo mihaino ahy: Tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa foana amin’izay mankahala anareo,+ 28 irario soa foana izay manozona anareo, ary mivavaha foana ho an’izay manao tsinontsinona anareo.+
60 Dia nandohalika izy ka niantso mafy hoe: “Jehovah* ô, aza atao ho helony izao!”+ Rehefa avy nilaza an’izany izy, dia nodimandry.*