-
Lioka 6:41, 42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
41 Koa maninona ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao aza tsy hitanao?+ 42 Ahoana no itenenanao amin’ny rahalahinao hoe: ‘Aleo hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao, ry rahalahy’, nefa ianao aza tsy mahita ny vatan-kazo eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao, dia ho hitanao tsara hoe ahoana no hanesorana ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.
-