-
Lioka 13:25-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Rehefa mitsangana mantsy ny tompon-trano ka manidy varavarana, dia ho tavela any ivelany ianareo ka handondòna ao am-baravarana sady hiteny hoe: ‘Tompo ô! Mba vohay izahay.’+ Izao anefa no havaliny anareo: ‘Tsy fantatro hoe avy aiza ianareo.’ 26 Dia hanomboka hilaza ianareo hoe: ‘Nihinana sy nisotro niaraka taminao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay ianao.’+ 27 Hilaza aminareo anefa izy hoe: ‘Tsy fantatro hoe avy aiza ianareo. Mialà eto amiko ianareo rehetra mpanao ny tsy marina!’
-