-
Lioka 5:12-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Indray mandeha koa, raha mbola tao amin’ny tanàna anankiray izy, dia io fa nisy lehilahy rakotry ny habokana tao. Niankohoka izy raha vao nahita an’i Jesosy, ka niangavy hoe: “Tompo ô, raha mba tianao mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.”+ 13 Koa nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nikasika azy, sady niteny hoe: “Tiako izany ka! Madiova ianao.” Tonga dia niala tamin’ilay lehilahy ilay habokana.+ 14 Dia noraran’i Jesosy ilay lehilahy mba tsy hiteniteny amin’olona. Hoy izy: “Fa mandehana miseho any amin’ny mpisorona, ary satria nodiovina ianao dia manaova fanatitra, araka izay nasain’i Mosesy natao,+ mba ho hitan’izy ireo fa sitrana ianao.”+
-