-
Marka 2:15-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Taorian’izay dia nisakafo* tao an-tranon’i Levy i Jesosy. Ary be dia be ny mpamory hetra sy mpanota nisakafo* niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany tao. Maro tamin’izy ireny mantsy no lasa mpanara-dia an’i Jesosy.+ 16 Rehefa hitan’ny mpanora-dalàna anisan’ny Fariseo anefa fa niara-nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra i Jesosy, dia hoy izy ireo tamin’ny mpianany: “Fa angaha izy miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?” 17 Henon’i Jesosy izany ka hoy izy tamin’ireo: “Tsy ny matanjaka no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.”+
-