-
Genesisy 19:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Raha mbola tsy natory anefa izy ireo, dia nitangorona nanodidina an’ilay trano ny lehilahy rehetra tao an-tanànan’i Sodoma, hatramin’ny ankizilahikely ka hatramin’ny lahiantitra, ka nila ady tamin’izy ireo. 5 Ary nitabataba tamin’i Lota foana izy ireo hoe: “Aiza ireny lehilahy tonga tato aminao androany alina ireny? Avoahy atỳ aminay ireny hanaovanay firaisana.”+
-
-
Joda 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nanao hoatran’ireny anjely ireny koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna nanodidina azy. Nanaram-po tamin’ny fijangajangana* tena mamoafady mantsy izy ireo, sady nanatanteraka ny fanirian’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao.+ Afo maharitra mandrakizay* no saziny, ka lasa anatra ho antsika izy ireo.+
-