-
Marka 8:34, 35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Ary nantsoiny nankeo aminy ny vahoaka sy ny mpianany, ka hoy izy tamin’ireo: “Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy ka mitondra ny hazo fijaliany* ary manaraka ahy foana.+ 35 Fa izay te hamonjy ny ainy no hamoy an’izany, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko sy ny vaovao tsara kosa no hamonjy an’izany.+
-