-
Marka 6:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Henon’i Heroda Mpanjaka izany, satria lasa nalaza ny anaran’i Jesosy. Ary hoy ny olona: “Natsangana tamin’ny maty i Jaona Mpanao Batisa, dia izany no ahavitany fahagagana.”+
-
-
Lioka 9:7-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Henon’i Heroda* lehibem-paritra ny zava-drehetra nitranga, ka tena very hevitra izy satria nisy nilaza fa efa natsangana tamin’ny maty i Jaona.+ 8 Ny sasany anefa nilaza hoe i Elia no niseho, ary ny hafa indray niteny hoe ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no nitsangana tamin’ny maty.+ 9 Dia hoy i Heroda: “Raha i Jaona, dia efa notapahiko ny lohany.+ Koa iza indray àry izany reko manao an’izany zavatra izany?” Te hahita mafy an’i Jesosy àry izy.+
-