-
Marka 6:21-29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Tonga anefa ny andro iray tena nety, rehefa nitsingerina ny andro nahaterahan’i+ Heroda, ka nanao fanasana takariva izy ho an’ny manam-pahefana ambony sy ny mpitari-tafika ary ny olona ambony indrindra tany Galilia.+ 22 Ary niditra ny zanakavavin’i Herodiasy ka nandihy. Dia faly be i Heroda sy ireo nisakafo* niaraka taminy. Hoy àry ny mpanjaka tamin’ilay tovovavy: “Angataho amiko izay rehetra tianao, fa homeko anao.” 23 Nianiana taminy mihitsy izy hoe: “Na inona na inona angatahinao, dia homeko anao, na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.” 24 Koa lasa nanontany an-dreniny ilay tovovavy hoe: “Inona no tokony hangatahiko?” Dia hoy ny reniny: “Ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.” 25 Tonga dia niditra haingana tao amin’ny mpanjaka ilay tovovavy ka nangataka hoe: “Tiako raha omenao ahy izao dia izao eo ambony vilia ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.”+ 26 Na dia nampalahelo be ny mpanjaka aza izany, dia nekeny ny fangatahan’ilay tovovavy, satria izy efa nianiana teo anatrehan’ny olona nasainy.* 27 Tonga dia nirahin’ny mpanjaka àry ny iray tamin’ny mpiambina azy, ka nomeny baiko hitondra ny lohan’i Jaona. Dia lasa io nanapaka ny lohan’i Jaona tao am-ponja, 28 ka nitondra an’ilay izy teo ambony vilia. Nomeny an’ilay tovovavy ilay izy, ary ilay tovovavy kosa nanome an’ilay izy an-dreniny. 29 Rehefa henon’ny mpianatr’i Jaona izany, dia tonga izy ireo naka ny fatiny ka nandevina azy tany am-pasana.
-