-
1 Korintianina 3:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Fa tsy misy afaka mametraka fototra hafa ankoatra an’izay efa napetraka, dia i Jesosy Kristy.+
-
-
1 Petera 2:6-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Hoy mantsy ny Soratra Masina: “Mametraka vato voafidy ao Ziona aho, dia vato fehizoro sady vato fototra sarobidy. Tsy hisy ho diso fanantenana* mihitsy izay rehetra maneho finoana azy io.”+
7 Aminareo àry no sarobidy izy, satria mpino ianareo. Fa amin’ny tsy mpino kosa, dia “ny vato tsy tian’ny* mpanao trano+ no lasa vato fehizoro lehibe indrindra”,*+ 8 sady nanjary “vato mahatafintohina sy vatolampy mampianjera.”+ Tafintohina izy ireny satria tsy mankatò ny teny. Izany indrindra no efa voatendry hoe hanjo azy ireny.
-