-
Marka 9:2-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Enina andro taorian’izay, dia nentin’i Jesosy niaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona, ka nentiny nitokana teny amin’ny tendrombohitra avo iray. Ary niova tarehy teo anatrehan’ireo izy.+ 3 Dia lasa namirapiratra ny akanjony ivelany, sady tena fotsy be, ary tsy misy mpanadio lamba mahafotsy lamba hoatr’izany eto an-tany. 4 Niseho tamin’izy ireo koa i Elia sy Mosesy, niresaka tamin’i Jesosy. 5 Dia hoy i Petera tamin’i Jesosy: “Raby ô, faly be izahay fa eto. Koa avelao izahay hanangana tranolay telo, ka ny iray ho anao, ny iray ho an’i Mosesy, ary ny iray ho an’i Elia.” 6 Tsy fantany mantsy izay hatao, fa natahotra be izy ireo. 7 Ary nisy rahona nanaloka an’ireo mpianatra, dia nisy feo+ niteny avy tao amin’ilay rahona hoe: “Io no Zanako malalako.+ Henoy izy.”+ 8 Tampoka teo dia nijery ny manodidina izy ireo, ka i Jesosy ihany sisa no hitany teo.
-
-
Lioka 9:28-36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Valo andro teo ho eo taorian’ny nilazany an’ireo teny ireo, dia nentiny niaraka taminy i Petera sy Jaona ary Jakoba, ka niakatra tany an-tendrombohitra izy mba hivavaka.+ 29 Dia niova ny fahitana ny tarehin’i Jesosy raha mbola nivavaka izy, ary lasa fotsy nanjelanjelatra ny akanjony. 30 Ary ireo fa nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Mosesy sy Elia. 31 Niseho tamim-boninahitra izy ireo, sady niresaka momba ny handehanan’i Jesosy, izay efa hitranga any Jerosalema.+ 32 Efa resin-tory i Petera sy ireo niaraka taminy tamin’izay. Rehefa taitra tsara anefa izy ireo, dia hitany ny voninahitr’i Jesosy+ ary hitany koa ireo roa lahy niara-nijoro taminy. 33 Rehefa handao an’i Jesosy izy roa lahy, dia hoy i Petera tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, faly be izahay fa eto. Koa avelao izahay hanangana tranolay telo, ka ny iray ho anao, ny iray ho an’i Mosesy, ary ny iray ho an’i Elia.” Tsy fantany anefa izay nolazainy. 34 Fa raha mbola niteny an’izany izy, dia nisy rahona nanaloka azy ireo, ary natahotra izy ireo rehefa voasaron’ilay rahona. 35 Dia nisy feo+ niteny avy tao amin’ilay rahona hoe: “Io no Zanako, ilay nofidiko.+ Henoy izy.”+ 36 Tamin’ny fotoana nandrenesana an’ilay feo, dia i Jesosy irery sisa no hita teo. Ary nangina izy ireo ka mbola tsy nolazalazainy tamin’ny olona aloha ny zavatra hitany.+
-