-
Marka 11:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia lasa izy ireo ary hitany ilay zanak’ampondra nifatotra teo akaikin’ny varavarana, teo ivelany teo amin’ny lalankely, ka novahany.+ 5 Nisy tamin’ireo olona nijoro teo anefa niteny hoe: “Fa maninona no vahanareo io zanak’ampondra io?” 6 Dia ilay notenenin’i Jesosy mihitsy no nolazain’ny mpianatra tamin’ireo, ka navelany handeha izy ireo.
-
-
Lioka 19:32-35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Dia lasa ireo mpianatra nirahiny, ka nahita an’izay nolazainy tamin’izy ireo.+ 33 Raha mbola namaha an’ilay zanak’ampondra anefa izy ireo, dia hoy ny tompony: “Fa maninona no vahanareo io zanak’ampondra io?” 34 Dia namaly izy ireo hoe: “Misy ilan’ny Tompo azy.” 35 Ary nentin’izy roa lahy tany amin’i Jesosy ilay zanak’ampondra, dia napetrak’izy ireo teo ambonin’ilay izy ny akanjon’izy ireo ivelany, ka nasainy nitaingina teo i Jesosy.+
-