-
Lioka 8:28-30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Niantsoantso mafy izy raha vao nahatazana an’i Jesosy, ary nandohalika teo anatrehany ka niteny mafy hoe: “Fa inona koa no anelingelenanao ahy atỳ,* ry Jesosy Zanak’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ô? Miangavy anao aho, aza ampijalina re aho e!”+ 29 —Nandidy an’ilay fanahy maloto mantsy i Jesosy mba hivoaka tamin’ilay lehilahy. Efa nidiran’izy io imbetsaka ilay lehilahy,*+ ary nofatorana matetika tamin’ny rojo vy sy gadra vy izy dia nambenana. Notapahiny anefa izay namatorana azy ary nentin’ilay demonia tany amin’ny toerana nitokana izy.— 30 Nanontany azy i Jesosy hoe: “Iza no anaranao?” Dia hoy izy: “Andian-tafika”, satria demonia be dia be no niditra tao amin’ilay lehilahy.
-