FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 14:24-33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Efa lasa lavitra be* ilay sambokely tamin’izay, ary niezaka mafy hanohitra ny onja ny mpianatra satria notoherin’ny rivotra ilay sambo. 25 Tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra tamin’ny alina* anefa, dia nandeha teo ambony ranomasina izy mba ho eny amin’ny mpianatra. 26 Dia natahotra ny mpianatra rehefa nahita azy nandeha teo ambony ranomasina, ka niantsoantso mafy hoe: “Misy zavatra hafahafa iny!”* 27 Tonga dia niteny taminy anefa i Jesosy hoe: “Mahereza fa izaho ihany ity! Aza matahotra.”+ 28 Dia hoy i Petera taminy: “Tompo ô, raha ianao tokoa io, dia asaivo manatona anao eny ambony rano aho.” 29 Hoy izy: “Avia àry!” Dia nidina avy tao an-tsambokely i Petera, ka nandeha teo ambony rano ary nanatona an’i Jesosy. 30 Lasa natahotra anefa izy rehefa nijery an’ilay tafio-drivotra. Dia nanomboka nilentika izy, ka niantsoantso hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” 31 Tonga dia nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nitazona an’i Petera, sady hoy izy: “Ry kely finoana, fa maninona ianao no lasa nisalasala?”+ 32 Ary nitsahatra ilay tafio-drivotra rehefa tafakatra tao an-tsambokely izy ireo. 33 Dia niankohoka teo anatrehany izay tao an-tsambokely, sady niteny hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.”

  • Jaona 6:16-21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara