-
Matio 15:3-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia namaly azy ireo i Jesosy hoe: “Ary maninona ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo?+ 4 Nilaza, ohatra, Andriamanitra hoe: ‘Hajao ny rainao sy ny reninao’,+ sy hoe: ‘Tokony hovonoina ho faty izay mamingavinga* ny rainy na ny reniny.’+ 5 Ianareo anefa milaza hoe: ‘Izay miteny amin’ny rainy na ny reniny hoe: “Izay ananako rehetra ka mety ho azoko anampiana anao, dia efa fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra”,+ 6 dia tsy voatery hanaja ny ray aman-dreniny.’ Ataonareo tsy misy vidiny àry ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.+
-