-
Matio 15:15-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Dia hoy i Petera: “Hazavao aminay ilay fanoharana teo.” 16 Dia hoy izy: “Mbola tsy mahatakatra tsara foana ve ny sainareo?+ 17 Angaha tsy fantatrareo fa izay rehetra miditra ao am-bava dia mankao an-kibo, ary lasa any amin’ny toerana fanariana azy? 18 Izay mivoaka avy amin’ny vava anefa dia avy ao am-po, ka izany no mandoto ny olona.+ 19 Avy ao am-po mantsy no ivoahan’ny eritreri-dratsy,+ ohatra hoe famonoana olona, fanitsakitsaham-bady, fijangajangana,* halatra, fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary fanevatevana zava-masina. 20 Izany no mandoto ny olona, fa tsy ilay hoe mihinana amin’ny tanana tsy misasa.”*
-