-
Matio 16:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary nanatona azy ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nangataka azy hampiseho famantarana avy any an-danitra, mba hitsapana azy.+ 2 Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Rehefa hariva ny andro, dia hoy ianareo: ‘Ho tsara ny andro rahampitso, satria mena ny lanitra.’ 3 Rehefa maraina indray, dia hoy ianareo: ‘Hangatsiaka androany dia ho avy ny orana, fa mena ny lanitra nefa manjombona.’ Hainareo fantarina avy amin’ny endriky ny lanitra ny toetrandro, saingy tsy hainareo fantarina ny dikan’ny zava-mitranga amin’izao.
-