-
Matio 17:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Notenenin’i Jesosy mafy avy eo ilay demonia ka nivoaka tamin’ilay ankizilahy. Dia sitrana tamin’izay ora izay ilay ankizilahy.+
-
-
Marka 1:23-25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Tamin’izay indrindra no nisy lehilahy nisy fanahy maloto tao amin’ilay synagoga. Niantsoantso mafy izy hoe: 24 “Fa inona koa no anelingelenanao anay atỳ,* ry Jesosy avy any Nazareta?+ Tonga atỳ ve ianao mba handringana anay? Fantatro tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra+ e!” 25 Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: “Mangìna, dia mivoaha aminy!”
-
-
Lioka 4:34, 35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 “Fa inona koa no anelingelenanao anay atỳ,* ry Jesosy avy any Nazareta?+ Tonga atỳ ve ianao mba handringana anay? Fantatro tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra+ e!” 35 Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: “Mangìna, dia mivoaha aminy!” Koa nivoaka ilay demonia rehefa avy nampianjera an’ilay lehilahy teo afovoan’ny olona, nefa tsy nandratra azy.
-