-
Lioka 5:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary ireny fa nisy olona nitondra lehilahy iray malemy, nolanjainy teo ambony fandriana. Nitady fomba hampidirana azy sy hametrahana azy teo anoloan’i Jesosy izy ireo.+ 19 Tsy nahita fomba hampidirana azy anefa izy ireo satria vahoaka be no tao. Niakatra tany an-tampon-trano àry izy ireo, ary nanesorany ilay tafo tanimanga, dia nampidininy teo afovoan’ny olona teo anoloan’i Jesosy ilay lehilahy teo ambony fandriana.
-