-
Matio 9:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Rehefa niala teo i Jesosy, dia nahita lehilahy antsoina hoe Matio, nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra. Ary hoy izy taminy: “Andao hanara-dia ahy.” Dia nitsangana i Matio ka nanaraka azy.+
-
-
Lioka 5:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Taorian’izay, dia nivoaka izy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra. Dia hoy izy taminy: “Andao hanara-dia ahy.”+ 28 Ary nandao ny zava-drehetra i Levy ka nitsangana ary nanaraka azy.
-