-
Matio 27:15-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Efa fanaon’ny governora isaky ny fety ny manafaka voafonja iray tian’ny vahoaka.+ 16 Nisy voafonja iray nalaza ratsy antsoina hoe Barabasy, tamin’izay fotoana izay. 17 Rehefa tafangona àry ny olona, dia hoy i Pilato: “Iza no tianareo hafahako ho anareo: I Barabasy sa i Jesosy, ilay antsoina hoe Kristy?” 18 Fantatr’i Pilato mantsy fa fialonana no nahatonga azy ireo hanolotra an’i Jesosy.
-
-
Jaona 18:39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 Sady raha araka ny fanaonareo, dia tokony hanafaka olona iray ho anareo aho rehefa Paska.+ Ka sao dia mba tianareo hafahako ho anareo ilay Mpanjakan’ny Jiosy?”
-