-
Matio 27:33-37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Rehefa tonga teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Golgota, na hoe Ikarandoha,+ izy ireo, 34 dia nomeny divay nafangaro zava-mangidy i Jesosy hosotroiny.+ Tsy nety nisotro anefa izy rehefa avy nanandrana an’ilay izy. 35 Rehefa voafantsik’ireo teo amin’ny tsato-kazo izy, dia nozarain’izy ireo ny akanjony ivelany ka nanaovany antsapaka.+ 36 Dia nipetraka niambina azy teo izy ireo. 37 Napetany terỳ ambonin’ny lohany koa ny soratra momba ny fiampangana azy hoe: “Ity no Jesosy Mpanjakan’ny Jiosy.”+
-