-
Matio 9:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao. Hisintona be mantsy ilay tapa-damba, dia handrirotra an’ilay akanjo ka vao mainka hitatra ny rovitra.+ 17 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Raha izany mantsy, dia ho vaky ilay siny hoditra ka ho raraka ny divay ary ho simba ny siny. Fa atao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao, ka samy tsy simba na ny siny na ny divay.”
-
-
Lioka 5:36-38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Nilaza fanoharana tamin’izy ireo koa izy hoe: “Tsy misy olona maka tapa-damba avy amin’ny akanjo vaovao, ka manampina akanjo tonta amin’izany. Raha izany mantsy, dia handrirotra an’ilay akanjo tonta ilay tapa-damba vaovao sady tsy hifanaraka aminy koa.+ 37 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Raha izany mantsy, dia hamaky an’ilay siny hoditra ilay divay vaovao ka ho raraka ny divay, ary ho simba ny siny. 38 Fa tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao.
-