FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 14:3-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 I Jaona mantsy efa nosamborin’i Heroda* sy nofatorany ary nogadrainy, noho ilay olana momba an’i Herodiasy. Vadin’i Filipo rahalahin’i Heroda i Herodiasy,+ 4 ka efa notenenin’i Jaona i Heroda hoe: “Tsy azonao atao ny manambady azy.”+ 5 Te hamono an’i Jaona i Heroda saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nihevitra izy ireo hoe mpaminany i Jaona.+

  • Marka 6:17-20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa i Heroda efa naniraka olona hisambotra an’i Jaona sy hamatotra azy tao am-ponja, satria izany no tian’i Herodiasy vadin’i Filipo rahalahiny. Efa nalainy ho vadiny mantsy io vehivavy io.+ 18 Fa efa notenenin’i Jaona i Heroda hoe: “Tsy azonao atao ny manambady ny vadin’ny rahalahinao.”+ 19 Nitana lolompo tamin’i Jaona àry i Herodiasy ka te hamono azy, saingy tsy afaka. 20 Natahoran’i Heroda mantsy i Jaona, satria fantany fa olo-marina sy masina+ ka narovany. Isaky ny avy nihaino an’i Jaona izy, dia tsy hainy hoe inona no tokony hatao, nefa mbola faly foana izy nihaino azy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara