-
Marka 1:23-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Tamin’izay indrindra no nisy lehilahy nisy fanahy maloto tao amin’ilay synagoga. Niantsoantso mafy izy hoe: 24 “Fa inona koa no anelingelenanao anay atỳ,* ry Jesosy avy any Nazareta?+ Tonga atỳ ve ianao mba handringana anay? Fantatro tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra+ e!” 25 Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: “Mangìna, dia mivoaha aminy!” 26 Ary nataon’ilay fanahy maloto nifanintontsintona ilay lehilahy. Nikiakiaka mafy be koa ilay fanahy, dia avy eo nivoaka tamin’ilay lehilahy. 27 Dia gaga be daholo ny olona ka nifampiresaka hoe: “Fa ahoana izao? Fampianarana vaovao izao! Na ny fanahy maloto aza baikoiny sady ananany fahefana, dia mankatò azy.” 28 Vetivety teo dia niely hatraiza hatraiza eran’ny faritr’i Galilia ny lazany.
-