2 Rehefa afaka andro vitsivitsy anefa, dia niditra tao Kapernaomy indray i Jesosy, ary henon’ny olona fa tao an-trano izy.+ 2 Be dia be àry ny olona tafangona tao, ka tsy nisy toerana intsony na dia teo akaikin’ny varavarana aza. Dia nanomboka nitory ny vaovao tsara tamin’ireo izy.+