-
Nomery 15:38, 39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 “Teneno ny Israelita hoe tokony hanisy mikiramborambo eo amin’ny morontongotr’akanjony izy ireo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby. Tokony hasiany kofehy manga koa eo ambonin’ilay mikiramborambo.+ 39 ‘Asio an’ilay mikiramborambo ny akanjonareo, amin’izay rehefa mahita an’ilay izy ianareo, dia hahatsiaro ny didin’i Jehovah rehetra ka hankatò an’izany.+ Aza manao izay tian’ny fonareo sy ny masonareo fotsiny, fa hahatonga anareo hivaro-tena* amin’ny andriamani-kafa izany.+
-