-
Matio 12:43-45Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 “Rehefa mivoaka avy ao amin’ny olona iray ny fanahy maloto, dia mamakivaky toerana karakaina mba hitady toerana hialana sasatra fa tsy mahita.+ 44 Hoy izy avy eo: ‘Andeha hiverina any amin’ilay trano nialako aho.’ Rehefa tonga izy, dia hitany fa tsy misy mipetraka ilay trano, fa efa voafafa madio sady voaravaka. 45 Dia lasa izy maka fanahy fito hafa ratsy noho izy. Dia miditra izy ireo ka mijanona ao. Koa ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny hiafaran’ilay olona.+ Hoatr’izany koa no hiafaran’ity taranaka ratsy fanahy ity.”
-