-
Jakoba 4:13-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ianareo miteny hoe: “Hankany ananona izahay androany na rahampitso, dia hijanona any herintaona, ary hivarotra ka hahazo tombony.”+ 14 Tsy fantatrareo akory anefa izay hitranga aminareo rahampitso.+ Zavona miserana vetivety fotsiny ianareo, dia avy eo levona.+ 15 Izao kosa no tokony holazainareo: “Raha sitrapon’i Jehovah*+ ka velona izahay, dia hanao an’izao na izao.” 16 Izao anefa ianareo mirehareha sady mieboebo. Tena ratsy ny mirehareha hoatr’izany.
-