-
Matio 13:31, 32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Nanao fanoharana hafa taminy koa izy hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia hoatran’ny voan-tsinapy* nalain’olona ka namboleny tany an-tsahany.+ 32 Io voa io no kely indrindra amin’ny voa rehetra. Rehefa maniry anefa izy, dia izy no anana* lehibe indrindra ka lasa hazo. Dia tonga ny voro-manidina ka manao akany eny amin’ny sampany.”
-
-
Marka 4:30-32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Ary hoy ihany izy: “Azontsika ampitahaina amin’inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no anazavantsika azy? 31 Hoatran’ny voan-tsinapy* izy io. Io voa io no kely indrindra amin’ny voa rehetra eto an-tany,+ amin’ny fotoana amafazana azy. 32 Rehefa voafafy anefa izy, dia maniry ka lasa lehibe noho ny anana hafa rehetra sady misy rantsany vaventy. Afaka manao ny akaniny eo àry ny voro-manidina sady mialokaloka eo.”
-