-
Matio 22:23-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Tamin’iny andro iny dia nanatona azy koa ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty,+ ka nanontany azy hoe:+ 24 “Mpampianatra ô, nilaza i Mosesy hoe: ‘Raha maty tsy niteraka ny lehilahy iray, dia tsy maintsy manambady an’ilay vady navelany ny rahalahiny ka hanome taranaka ho an’ilay rahalahiny efa maty.’+ 25 Nisy fito mirahalahy àry teto aminay. Nanambady ilay voalohany, dia maty. Tsy niteraka anefa izy ka namela ny vadiny ho an’ny rahalahiny. 26 Hoatr’izany koa no nanjo an’ilay faharoa sy fahatelo, hatramin’ilay fahafito. 27 Maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany. 28 Koa rehefa atsangana ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy ilay vehivavy? Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy rehetra.”
-
-
Marka 12:18-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary nanatona azy ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty.+ Nanontanian’ireo izy hoe:+ 19 “Mpampianatra ô, nanoratra ho antsika i Mosesy hoe raha maty ny lehilahy anankiray ka namela vady nefa tsy niteraka, dia tokony hampakatra an’ilay vady navelany ny rahalahiny, ka hanome taranaka ho an’ilay rahalahiny efa maty.+ 20 Nisy fito mirahalahy àry. Nanambady ilay voalohany, nefa maty tsy niteraka. 21 Dia nampakatra an’ilay vehivavy ny faharoa, nefa maty tsy niteraka ihany koa, ary hoatr’izany koa ny fahatelo. 22 Samy tsy niteraka izy fito mirahalahy. Maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany. 23 Rehefa atsangana ny maty, ho vadin’iza ilay vehivavy? Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy fito mirahalahy.”
-