-
Matio 1:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Rehefa avy nieritreritra tsara an’izany anefa izy, dia nisy anjelin’i Jehovah* niseho taminy tao amin’ny nofy, niteny hoe: “Ry Josefa zanak’i Davida, aza matahotra ny hitondra an’i Maria vadinao ho ao an-tranonao,* fa ny asan’ny fanahy masina no nahatonga azy hitoe-jaza.*+ 21 Hiteraka zazalahy izy, ary ataovy hoe Jesosy* ny anarany,+ satria izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo.”+
-