-
Jaona 13:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Efa fantatr’i Jesosy koa fa efa nomen’ny Ray ho eo an-tanany ny zava-drehetra, sady avy tany amin’Andriamanitra izy ka hankany amin’Andriamanitra.+ 4 Koa raha mbola nisakafo izy ireo, dia nitsangana izy, ka napetrany ny akanjony ivelany. Dia naka servieta izy, ka nisikinany.*+ 5 Avy eo dia nasiany rano tao anaty koveta. Dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra izy, ka nohamaininy tamin’ilay servieta nisikinany ny tongotr’ireo.
-