-
Levitikosy 12:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Rehefa tapitra ireo andro fidiovany noho izy niteraka zazalahy na zazavavy, dia hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona izy ho fanatitra dorana,+ ary zana-boromailala iray na domohina iray ho fanatitra noho ny ota. Hoentiny any amin’ny mpisorona, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ireo. 7 Hanolotra an’izany eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan’ilay vehivavy. Dia hadio ilay vehivavy nandeha ra. Izany no lalàna momba ny vehivavy teraka lahy na vavy.
-