-
Asan’ny Apostoly 8:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Ary izao ilay andinin-tenin’ny Soratra Masina novakiny: “Hoatran’ny ondry nentina hovonoina izy, ary hoatran’ny zanak’ondry mangina eo anatrehan’ny mpanety azy, ka tsy miteny mihitsy.+
-
-
Asan’ny Apostoly 8:35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Ary niteny indray i Filipo, ka nitory taminy ny vaovao tsara momba an’i Jesosy, ary izany andinin-teny izany no nanombohany azy.
-
-
1 Petera 1:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Fantatrareo mantsy fa tsy tamin’ny zavatra mety simba, toy ny volafotsy na volamena, no nanafahana*+ anareo tamin’ny fomba fiaina tsy mahasoa nolovanareo tamin’ny razambenareo,* 19 fa tamin’ny ra sarobidy+ kosa, dia ny ran’i Kristy,+ izay toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy tsininy sy tsy misy pentina.+
-