17 Nitraka nijery ny lanitra i Jesosy rehefa avy nilaza an’izany, dia hoy izy: “Ray ô, tonga ny fotoana. Omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao.+ 2 Fa efa nomenao fahefana amin’ny olona rehetra izy,+ mba ho afaka hanome fiainana mandrakizay+ ho an’izay rehetra nomenao azy.+