-
Asan’ny Apostoly 21:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ary nijanona andro maromaro tao izahay, dia avy eo nisy mpaminany atao hoe Agabo+ nidina avy any Jodia. 11 Tonga teo aminay izy, dia nalainy ny fehikibon’i Paoly ka namatorany ny tongotra aman-tanany. Dia hoy izy: “Izao no lazain’ny fanahy masina: ‘Hoatr’izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity,+ ary hatolotr’izy ireo eo an-tanan’ny olona hafa firenena izy.’”+
-