-
Asan’ny Apostoly 16:19-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Rehefa hitan’ny tompony fa vita hatreo ny fanantenany hahazo harena be,+ dia nosamborin’izy ireo i Paoly sy Silasy, ary notaritaritiny teny an-tsena ho any amin’ny manam-pahefana.+ 20 Dia nentin’izy ireo tany amin’ny tompon’andraiki-panjakana izy roa lahy, ary hoy izy ireo: “Tena manakorontana ny tanànantsika mihitsy+ ireto lehilahy ireto. Jiosy ry zareo, 21 dia mampianatra fanao tsy azontsika raisina na arahina, satria isika Romanina.”
-