-
Matio 5:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 “Aza mihevitra hoe tonga hanafoana ny Lalàna na ny Mpaminany aho. Tsy tonga hanafoana aho, fa hanatanteraka.+
-
-
Efesianina 2:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ny nofony no nanafoanany an’ilay nahatonga antsika roa tonta ho mpifahavalo, dia ny Lalàna misy didy maro. Tiany ho lasa olom-baovao iray+ ihany sy hihavana mantsy isika roa tonta, izay samy tafaray aminy.
-
-
Kolosianina 2:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Na dia maty noho ny helokareo koa aza ianareo sady tsy voafora, dia novelomin’Andriamanitra niaraka tamin’i Kristy.+ Tsara fanahy Andriamanitra ka namela ny heloka rehetra vitantsika.+ 14 Ary nofafany* ilay lalàna+ nisy didy maro,+ izay nosoratana hanamelohana antsika.+ Nofoanany ilay izy rehefa nofantsihany teo amin’ny hazo fijaliana.*+
-