-
Kolosianina 2:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Niara-nalevina taminy mantsy ianareo tamin’ny batisany,+ dia niara-natsangana taminy koa,+ satria mifandray aminy sady mino ny herin’Andriamanitra, izay nanangana azy tamin’ny maty.+
13 Na dia maty noho ny helokareo koa aza ianareo sady tsy voafora, dia novelomin’Andriamanitra niaraka tamin’i Kristy.+ Tsara fanahy Andriamanitra ka namela ny heloka rehetra vitantsika.+
-