FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 24:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Rehefa nanao fihetsika tamin’ny lohany ny governora mba hanomezana fitenenana an’i Paoly, dia namaly i Paoly hoe:

      “Fantatro tsara fa efa an-taonany maro ianao no mpitsaran’ity firenena ity. Koa faly aho hilaza aminao ny fiarovan-tenako.+

  • Asan’ny Apostoly 24:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ekeko eto anatrehanao anefa, fa mifanaraka amin’ilay antsoin’izy ireo hoe ‘sekta’* no anompoako ny Andriamanitry ny razambeko,+ satria mino an’izay rehetra voalazan’ny Lalàna sy voasoratra ao amin’ny Mpaminany+ aho.

  • Asan’ny Apostoly 25:10-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Hoy anefa i Paoly: “Mijoro eto anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kaisara aho, ary eto no tokony hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy tamin’ny Jiosy aho, ary fantatrao tsara koa izany. 11 Raha tena olon-dratsy tokoa aho ka nahavita zavatra tokony hamonoana ahy ho faty,+ dia tsy mandà ny ho faty aho. Fa raha tsy misy mitombina kosa ny zavatra iampangan’ireto lehilahy ireto ahy, dia tsy misy manan-jo hanolotra ahy amin’izy ireo mba hampifaliana azy ireo fotsiny. Ampakariko any amin’i Kaisara ity raharaha ity!”+ 12 Rehefa avy niara-nidinika tamin’ireo mpanolo-tsaina i Festosy, dia niteny hoe: “Nampakarinao any amin’i Kaisara ny raharaha, ka dia ho any amin’i Kaisara ianao.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara