-
Efesianina 3:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Izaho izay mbola kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra+ no nanehoana an’izany hatsaram-panahy miavaka izany.+ Noho izany, dia afaka nitory tamin’ny hafa firenena ny vaovao tsara momba ny harena tsy hita fetran’i Kristy aho, 9 sady nanampy ny olona rehetra hahita an’izay ataon’Andriamanitra momba* an’ilay zava-miafina masina.+ Efa hatramin’ny ela be io zava-miafina io no nafenin’ilay Andriamanitra namorona ny zava-drehetra.
-