-
Asan’ny Apostoly 15:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Dia nanapa-kevitra ny apostoly sy ny anti-panahy ary ny fiangonana manontolo fa hifidy olona eo aminy, dia haniraka azy ireo hiaraka amin’i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia. I Jodasy, ilay antsoina hoe Barsabasy, sy Silasy+ no nirahin’izy ireo. Samy nitana andraikitra lehibe teo amin’ireo rahalahy izy roa lahy.
-
-
1 Petera 5:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nanoratra teny vitsivitsy ho anareo aho, tamin’ny alalan’i Silvano,*+ izay hitako hoe rahalahy mendri-pitokisana. Nanoratra aho mba hampaherezana anareo sy hanomezana toky anareo fa tena izy ilay hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra aminareo. Aza miala amin’izany hatsaram-panahiny izany mihitsy.
-