-
Asan’ny Apostoly 17:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Nandeha namakivaky an’i Amfipolia sy Apolonia izy ireo ka tonga tany Tesalonika.+ Nisy synagogan’ny Jiosy tany. 2 Dia niditra tao hoatran’ny fanaony+ i Paoly mba hitory tamin’izy ireo. Ary nandritra ny sabata telo izy no niezaka nandresy lahatra azy ireo, ka nampiasa ny Soratra Masina+ rehefa nanao an’izany.
-