-
Asan’ny Apostoly 2:29-32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 “Ry rahalahy, mamelà ahy hiresaka amim-pahatsorana aminareo momba an’i Davida loham-pianakaviantsika, izay efa maty sady efa nalevina,+ ary eto amintsika ny fasany hatramin’izao. 30 Mpaminany izy, ary fantany fa nianiana taminy Andriamanitra hoe ny iray amin’ny taranany no hapetrak’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianany.+ Noho izany, dia 31 fantatr’i Davida mialoha fa hitsangana amin’ny maty i Kristy ary efa niresaka momba an’izany izy. Noresahiny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana* i Jesosy sady tsy lo ny nofony.+ 32 Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty iny Jesosy iny, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.+
-
-
Romanina 1:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Izany vaovao tsara izany dia momba an’ilay Zanany, izay avy amin’ny taranak’i Davida+ raha araka ny nofo,
-