FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 14:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Dia nidina nankany Timna i Samsona sy ny rainy ary ny reniny. Rehefa tonga tany amin’ny tanimboaloboka tao Timna i Samsona, dia nisy liona* nierona nanatona azy. 6 Dia nanome hery azy ny fanahin’i Jehovah,+ ka nozarainy roa hoatran’ny nizara zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Tsy noteniteneniny tamin’ny rainy sy ny reniny anefa izay nataony.

  • 1 Samoela 17:34-36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Dia hoy i Davida taminy: “Izaho mpanomponao no lasa mpiandry ny ondry sy osin’ny dadanay, ary nisy liona+ tonga ka naka ondry iray tamin’ny andian’ondry. Dia nisy fotoana koa nisy orsa nanao hoatr’izany. 35 Dia lasa nanenjika azy aho ka namely azy ary namonjy an’ilay ondry teny am-bavany. Rehefa nitsangana hamely ahy izy, dia notazoniko tamin’ny volony,* ary nasiako izy ka matiko. 36 Samy novonoin’ny mpanomponao na ilay liona na ilay orsa. Ho toy ny iray amin’ireny koa io Filistinina tsy mifora io, noho izy nila ady tamin’ny tafik’ilay Andriamanitra velona.”+

  • Daniela 6:21, 22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Tonga dia namaly i Daniela hoe: “Ho velona mandrakizay anie ianao, ry mpanjaka ô! 22 Naniraka ny anjeliny ilay Andriamanitro ka nanakombona ny vavan’ny liona,+ dia tsy naninona ahy mihitsy ny liona.+ Hita mantsy hoe tsy nanan-tsiny teo anatrehany aho. Sady tsy nanao ratsy taminao koa aho, ry mpanjaka ô!”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara