-
2 Tantara 24:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Ary niasa tamin’i Zakaria zanak’i Joiada+ mpisorona ny fanahin’Andriamanitra. Dia nitsangana teo amin’ny toerana avo kokoa noho izay nisy ny vahoaka izy, ka niteny hoe: “Izao ny tenin’ilay tena Andriamanitra: ‘Nahoana ianareo no mandika ny didin’i Jehovah? Tsy hahomby ianareo amin’izany. Nahafoy an’i Jehovah ianareo, ka mba hafoiny koa.’”+ 21 Niray tetika hanohitra an’i Zakaria+ anefa izy ireo, ka nitora-bato azy teo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah,+ satria izay no baikon’ny mpanjaka.
-