-
1 Korintianina 2:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ny olona araka ny nofo anefa dia tsy manaiky* an’izay zavatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, satria hadalana izany aminy. Ary tsy afaka ny hahafantatra an’izany izy, satria ilaina ny fanahin’Andriamanitra rehefa mandinika an’izany.
-
-
Filipianina 3:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Fandringanana no hiafaran’ireny, ary ny kibony no andriamaniny. Ny zavatra tena tokony hahamenatra azy indray no ataony ho voninahitra, ary ny zavatra etỳ an-tany+ no ifantohan’ny sainy.
-